♦ Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro momba ny fitantanana ny talen-tsekoly katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nodinihana nandritra ny fiofanana koa ny hamokarana boky fampianarana fiteny frantsay ho an'ny sekoly katôlika manokana... ♦ Manatanteraka ny diabe am-bavaka fanao isan-taona andiany faha-17 Tanà-Moramanga ny Pretra Carmes. Lohahevitra itondrana izany ny hoe "Mpivahinin'ny Fanantenana toa an'i Mompera Sergio, tarihan'i Masina Maria... ♦ Hapetraka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny ben'ny tanàna vaovao ao amin'ny kaominina Ilakatra-Vohipeno. Tsy manaiky ny fanalàna ny ben'ny tanàna efa niasa ny mpomba azy...

Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Manavao ny lasi-panofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao ny vokatra azo... ♦ Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro hanomboka anio ny Faritra Atsimo-andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... ♦ Tratehaky ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany tety Ivato ny tambazotra mpanao trafikan-jaza alefa any ivelany. Nokasaina haondrana any Gabon ny zazavavy kely vao 8 volana...

Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...