.../… Higadona rahafakampitso indray ny datin’ny 14 oktobra amin’ity taona 2026 ity. Daty efa faheno foana ny 14 ôktôbra 1958.  Mahatsiarotsiaro izany isan-taona ny mpanaraka tantara, indrindra ireo efa Zokizokiolona. Io ilay daty nambara fa nahaterahan'ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, rehefa niaina fanjanahan-tany nandritra ny 64 taona ny firenena malagasy. Nanomboka teo ‘zany no nambara ny fijoroan'ny Repoblika malagasy, rehefa nandalo latsa-bato, saingy mbola nijanona ho « communauté française » ihany i Madagasikara, taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka nanitsiana ny Lalàmpanorenana frantsay ny 28 septambra 1958...

Ny 26 jiona 1960 moa vao tena nambara tamin'ny fomba ofisialy fa mahaleo-tena i Madagasikara. Tena nanaovan’ny Malagasy fety isan-tokantrano, toy ny fetim-pirenena tokoa ny datin'ny 14 ôktôbra nandritra ny repoblika voalohany. Nofoanan’ny fitondrana Ratsiraka anefa izany fankalazana izany nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa.

50 taona aty aorian’ny somary nanadinoana izany daty izany, dia haverina hotsaroana amin’ny fomba ofisialy indray ny 14 datin’ny ôktôbra. Hitsingerina amin'ny alarobia izao io daty io. Hakotroka ny fankalazana izany nahaterahan’ny Repoblika malagasy voalohany izany amin’ity taona ity. Any Antsohihy any no ivon’ny fanamarihana, ary toa hoe hatrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mihitsy. Toy izany koa ny eto Antananarivo, hisy ny hetsika eny Mahamasina eny. Mampiady hevitra ny maro sahady ao anatin’izao tsiahin’ny fahaterahan’ny Repoblika malagasy izao io datin’ny 14 ôktôbra io. Ao ireo milaza fa io no tena fetin’ny fahaleovan-tena. Ny 26 jiona ihany, hoy kosa ny hafa, satria famerenana ny fanjanahantany nataon’ny Frantsay ny iray. Misy koa ireo milaza fa aleo any amin’ny fikaonandoham-pirenena no hanapahana izany. Tokony hanangan-tsaina tokoa moa ve 'zany isaky ny fankalazana ny 14 oktobra, na koa tokony hatokana andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ihany koa ? Endrika ivelany daholo ihany anefa izany, fa tsy ny famerenana izany fankalazana izany no hampiverina ny fari-piainan’ny Malagasy ho toy ny tamin’izany fotoana. 

Na izany na tsy izany, fotoana hanavaozana ny Repoblika izao diavintsika izao. Fifandrifin-javatra ve fa ny 14 ôktôbra 2025 no tafajoro ny fitondrana fanavaozana, taorian’ny nandraisan’ireo miaramilan’ny Capsat ny fahefana, rehefa niha-nalefaka tsikelikely ny fitondrana Rajoelina. Lasa saina ihany ny  Arofanina satria Repoblika  efatra sahady izay no nodiavina tao anatin’ny 65 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Indrisy anefa fa toa arakaraka ny hiovàna Repoblika ‘ty no mampikoroso fahana ny firenena. Jereo i Etazonia fa tamin’ny taona 1789 no nahatsangana Repoblika, nefa mbola io tokana io hatramin’izao. I Frantsa indray ohatra, Repoblika faha-4 nanomboka tamin’ny taona 1958, fa mbola tsy miova hatramin’izao.

Ty maintsy hiova ho any amin’ny  faha-5 indray anefa isika na ho ela na ho haingana. Aleo dia tsorin'ny Arofanina eto fa tsy ny isana Repoblika no nampandroso, satria raha fanovana Repoblika 4 ao anatin’ny 67 taona no nampivoatra, dia tsy ho faha-efatra avy any amin’ny rambony mihitsy ilay Madagasikara. Raha zohina ny tantara, dia niova Repoblika isaky ny nisolo Lalàmpanorenana isika, kanefa toa tsy nitondra nankaiza fa vao mainka nampilentika aza. 

Koa satria moa efa nandrava Repoblika foana ihany nanomboka ny taona 1958, dia hoy ny Arofanina hoe : ‘ndao hotanterahina ilay tena fanavaozana, ilay fanorenana ifotony, ka hakana lesona ny tantara fa tsy fiovana anarana Repoblika fotsiny. Efa nandalo tamin’ireo Repoblika nifandimby ireto karazana teny filamatra samihafa ireto: Tanindrazana,  fahafahana, ny tolom-piavotana, fandrosoana, eny hatramin’ny fitiavana aza, satria hoe io no lehibe indrindra. Assa… ho avy koa ny Repoblika faha-5 dia  hampidirina ao koa ny fanavaozana. 

Hoy ny Arofanina hoe : fotoana  fanavaozana ny Repoblika tokoa  izao. Maninona  raha tena hanorenana ifotony ara-bakiteny ny firenena tokoa, ka hatsangana voalohany aloha ny fototra ? Hampidirina ao ny rariny sy hitsiny ho an’ny fampivoarana ny maha-olona manontolo. Ampiarahana hanamafy orina ny Repoblika ny  fampanjakana ny marina, satria ny  « fahamarinana no manandratra firenena », hoy ny Soratra Masina. Mba tena ho hita amin’izay ilay fitoviana, ka ho Lalampanorenan'ny Repoblika tena miaro ny marefo, ho fialofan’ny madinika ary kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Mba ho Repoblika  tena an’ny vahoaka, ka tsy hanadino ny any dilam-bato sy any ambany ravin-kazo amin’ireo seha-pampandrosoana ara-toe-karena, sosialy, sns. Mba ho tena Repoblika, araka ny anarany, ka ny vahoaka andriamanjaka no hamaritra sy hitantana ny ho aviny

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...