♦ Miantso ireo rehetra manam-baovao momba ny raharaha Tricha sy Raissa ny Brigade Criminelle mba hanome vaovao azy ireo, anio alarobia 14 mey no hiakatra fampanohavana eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny raharaha Raissa...♦ Vita sonia omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa SAHOFIKA. Ivon-toerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna tao Paris, sazy miantona 18 volana ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika malaza Frantsay Gérard Depardieu, noho ny resaka herisetra ara-nofo...

14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...

♦ Feno 53 taona katroka androany ny raharaha 13 mey 1972. Mby aiza ny firenena, taorian'ny hetsi-bahoaka tamin'izany, izay nampirodana ny Repoblika Voalohany... ♦ Tokantrano 2.500.000 isa no kendrena ho voarakitra anatin'ny Rejisitra ara-tsôsialy tokana amin'ity taona 2025 ity... ♦ Hampiantrano fanintelona misesy ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy i Madagasikara. Hotanterahana ny volana Jona izao izany, hoy ny Filohan'ny Federasiôna... ♦ Nisy ny tatitra nivoaka momba ny fianjeran'ilay fiaramanidina MH17 avy eny amin'ny habakabak'i Ukraine, tamin'ny taona 2024...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...