14 desambra 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 17, 10-13)
Nahitam-bokatra ny sehatr'asan'ny OSCEAH na ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana tamin'ity taona ity. Miompana amin'ny zo fototra maha-olona ny rano, ny fidioavana ary ny fanadiovana ary ny fanadiovana ; ka niompana tamin'izany ny sehatr'asan'izy ireo. Manampy ny hisian'ny hay tantana koa izy ireo. Ny hanànana politika nasiônaly no asa voalohany natao. Misy ny dingana vita momba ny famolavolana azy io ary hivoaka ato ho ato amin'ity volana desambra ity. Sarotra hoy Andriamatoa Ravelosaona Arsène, filohan'izany firaisamonim-pirenena izany ny fametrahana azy...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco