♦ Mampiaka-peo ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny fikasan'ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA mitokona hanapaka jiro faobe. Hampitroatra ny mpanjifa ny firosoana amin'izany hoy ny PMH... ♦ Nosamborin'ny pôlisy omaly ny mpitarika ny sendika SMJ Andriamatoa Anmora Ratovomanarivo. Isan'ny anton'ny nisamborana azy ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka, ny fandranitana fankahalana olona, ny fanimbana fanana iombonana... ♦ Hanao adisisika hisian'ny teti-bola sahaza ho an'ny sehatry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany (OSCEAH)...