• Nanolo-kevitra ny CENI, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, ny Komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina amin'ny lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... • Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto amintsika. Ny vidin'ny solika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Nampahafantarina tety Ivato ny tranonkalam-pifandraisan'ny EITI Madagascar vaovao. Fotoana nanolorana ny dika amin'ny teny anglisy sy teny sinoa ny fehezan-dalana vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara tamin'ny taona 2023...

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...

• Hivoaka ny fonja anio Rakotorova Rabetsara na Ralita, rehefa nofonjaina 15 volana. Amin'ny 12 aogositra kosa ny fitsarana an'i Elia Rabevahiny sy ireo namany miisa 5... • Nofaranana omaly teny Ankatso ny fandravonana ireo lohahevitra tsirairay noraisin'ireo Oniversite tsirairay tamin'ilay hetsika “Mois des Universités en Dialogue”. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin'ny fototra ka hatramin'ny ambaratonga ambony... • Mbola tsy mety hiravona ny olan'ny Ligin'Analamanga eo amin'ny taranja Echecs sy ny Federasiona Malagasy eo amin'io taranja io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...