Voambolana malaza nanomboka tamin’ny hetsi-bahoaka notarihan'ny GEN Z teto Madagasikara ny hoe "fanovàna", izay lasa teny isan'ny enti-mamaritra ny asa andrasana amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Andrenesana izay teny fitakiana fanovana izay na ny lafiny sosialy, na ny toe-karena, fa indrindra ny tontolo politika, izay hitakian’ireo mpitolona ny hampiharana izany hatrany ifotony, miainga eny anivon’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina ary miafara any amin’ny mpitondra mpanatanteraka.
Dia indro fa nisesisesy koa tato ho ato ny hetsika itakiana ny fialan'ny ben'ny tanana sasany amina kaominina maromaro manerana ny Nosy noho ny fitakiana fanovana. Maro no mihevitra araka izany fa andron’ny fanovana izao, ka mila ovaina hatramin’ny ben’ny tanana… Ny tsy azo lavina aloha dia vokatry ny olana ara-pifidianana no fototra voalohany mahatonga ireo olona mitaky ny fanesorana ireo ben’ny tanana sasatsasany ireo. Fifidianana izay nahitana tsy fahatomombanana samihafa. Tonga hatramin’ny hoe hosoka sy hala-bato mihitsy aza.
Fa teo koa ny hoe mety nanao ny fanao ratsy koa ny fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakana, nandray an-tanana ny fifanolanana tamin’ny resaka kara-pifidianana. Porofon'izany, tetsy an-daniny, maro ireo ben'ny tanàna voafidy lasa tsy lany. Nisy koa, tesy an-kilany, ireo nambara fa tsy lany kanefa lasa ben'ny tanàna indray amin'izao. Misy amin'ireo ben'ny tanàna ianjadian'ny fitakiam-bahoaka ireo koa anefa aza no efa tsy tiam-bahoaka efa ela, fa lany foana satria matanjaka ara-bola, manampatra fahefana, mahalala olona…
Dia tonga ny rivo-panovana. Niova ny fitondrana ka nanjary sahisahy ny vahoaka namoaka ny maharary azy. Raha niniana nampanginina mantsy ny olom-pirenena teo aloha, noho ny tahotra, na dia vavolombelona nanatri-maso sy niaina izay tsy fahatomombanana tamin’ny fifidianana izay aza, dia toy ny afa-jaly nahazo fahalalahana ka mahasahy mitoroka sy mijoro ary maneho hevitra rehefa tafapetraka teto amin’ny firenena ny rivotry ny fanovana.
Mitsoka mafy toy ny rivo-mahery arahin-tafiotra mahery vaika ity fitakiana fanesorana ben’ny tanana ity, ka nisy tamin’ireo nilaza azy ho olom-boafidy no tsy nahazaka izany ary nametra-pialana avy hatrany fa tsy naharesy tosika ireo ambara fa vahoaka nifidy azy ihany. Nisy kosa anefa ireo nanao ny fomba rehetra hitazomana ny fahefana, ka na dia nifamono sy nifandratra aza ny samy vahoaka tao amin’ny kaominina niadidiany, noho ny hevitra tsy mitovy, dia mafana loatra ny seza ka sarotra afoy e.
Tsy takona afenina toy ny vay an-kandrina ny takaitra entin’ny fitsokan’ny rivotra fanesorana ben’ny tanana, ka nahatonga ny fanjakana nijoro nampahatsiahy fa tsy ekena velively ny fanesorana an-keriny ireo ben’ny tanana voafim-bahoaka tamin’ny fomba ara-dalàna. Anjaran'ny fitondram-pajakana ny manabe ny vahoaka ary efa nambarany fa misy lalàna sy dingana atao ny fanalana ny ben’ny tanàna amin’ny toerany.
Raha samy hitaky ny fialan’ny ben’ny tanana tokoa moa ny andian’olona tsy faly tamin’ny fifidianana azy ireo, dia ho toa inona ny korontana sosialy mety haterak’izany ? Raha ho soloina filohan’ny delegasionina manokana na PDS indray ? aharaka izany ve ny fanjakana foibe ?... Tsy hay na tahotry ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, na hoe ramalina aza hono mifehy hazo tokana ? Fa isany nangatahan’ireo ben’ny tanàna nanao fivoriambe teto Antananarivo tamin’iny herinandro vao nivalona iny ny hanamafisana ny fiarovana azy ireo, toy ny hanomezana ilay zo tsy azo hivalozana na ny immunité na ihany koa fangatahan-dàlana manokana any amin’ny minisiteran’ny atitany mpiahy azy ireo rehefa misy ny fanenjehana mahazo ny ben’ny tanana.
Nampitony ny rivotra nitsoka izany, ka miaina sy miasa tsy manam-panahiana izany ireo mpitantana ny kaomina. Fa manao ahoana kosa ireo efa lasibatry ny rivotra ka niala tsy fidiny? Handray fepetra hamerina azy ireny amin'ny asany ve ny minisitera mpiahy? Dia samy miandry isika ka mipetraka aloha dia mijery. Ny rano no miady fidinana, hono, fa ny rivotra miady fiakarana; ny olombelona kosa miady voninahitra.
Fotoana izao, hoy ny Arofanina, tokony iarahan'ny rehetra manaiky fa tsy mitondra mankaiza ny fahalaniana tao anatin'ny fanatanterahana hevi-petsy hahamaro an'isa fotsiny. Mila fifidianana marina, eken'ny rehetra ary tsy misy kajikajy politika ny malagasy. Tokony ahitsy araka izany koa ny lalàna ka hatreo amin'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana ihany no rafitra mamoaka didy farany momba ny voka-pifidianana. Raha ny niainantsika hatreto mantsy dia toa manakorontana, ary tsy mampilamina, ny fampiakarana ny raharaha any amin'ny Filan-kevi-panjakana. Aoka ihany koa tena hahaleo-tena sy malalaka amin'ny asany ny mpitsara. Fotoana ifanabeazana hanaraka ny lalàna misy izao fa tsy fotoana hanovana fotsiny. Raha samy ovana avokoa mantsy ny lamina misy eto amintsika dia ho sahirana eto isika mianakavy fa hanjaka ny Fanjakan'i Baroa.
Manamafy koa ny Arofanina fa ilaina ary tena zava-dehibe ny fanovana. Ary tokony hiainga hatrany ifotony ny fanadiovana. Manana andraikitra goavana amin’izany ny olompirenena sy ny manam-pahefana tsirairay. Ampinga entina hitondrana ny fanadiovana amin’ny sehatra rehetra ny fametrahana ny fahamarinana ho fototra mafy orina hanarenana ny firenena sy ho fampanjakana ny mangarahara amin’ny seham-pitantana samihafa, fa indrindra ny tontolon’ny fifidianana. Mety ho tonga hatraiza na hiafara aiza ny tafiotra entin’ity rivotry ny fanovana handrandrain’ny vahoaka tsy mandady arona ity ? Eto isika samy ho vavolombelon’ny tantara.