Noraisin'ny Papa François ny marainan'ny alakamisy 23 janoary 2020 tao Vatican ny Birao maharitry ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, notarihin'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana.

Alakamisy 23 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12 — Araikao amin'ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Alarobia 22 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny vavanao.

Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...