Alakamisy 23 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12 — Araikao amin'ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

0 : 00

Ny isarihana ny fandinihantsika voalohany amin'ity Evanjely ity dia ny hoe: tsy mamela an'iza an'iza tsy hanana fanapahan-kevitra ny fisian'i Jesoa fa na momba azy, na manohitra azy. Rehefa momba azy isika, iza marina no fiheverantsika an'i Jesoa? Andriamanitra ivavahana sy hajaina ve? Namana izarana ny tsiambaratelo ve, itokisana sy amborahana ny ao am-po? Ilay tsy mandao sy tsy mahafoy fa eo foana? Sa ilay fitarainana hanalana izay mavesatra fotsiny? Boto faniraka, mpameno ny banga sy mpanentsina ny lavaka? Sa sanatria koa filan-draha tsy mahita? Antsika ny mandinika. Andriamanitra ivavahana Izy.

Maro ireo nanodidina azy, samy nanana ny heviny. Na ny demony aza nibaboka amim-pangovitana hoe: "Ianao no zanak'Andriamanitra". Havaozy sy hamafiso àry, ny finoantsika sy ny fankatovantsika azy ho Tompo sy Mpamonjy. Manasitrana i Jesoa, manala izay mangeja, midika izany fa tapitra hatreo ny fangejan'ilay ratsy. Tsy ny ratsy akory no ho tompon'ny teny farany fa i Jesoa Andriamanitra Mpamonjy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...