Noraisin'ny Papa François ny marainan'ny alakamisy 23 janoary 2020 tao Vatican ny Birao maharitry ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, notarihin'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana.

Niarahaba ny Papa François tratry ny taona tamin'ny anaran'ny Vahoaka malagasy I Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, Filohan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka. ary naneho ny fisaorana mitafotafo noho ny Famangiana Apôstolika nataony taty Madagasikara. Tsy afaka ao am-pon'ny Malagasy, hoy izy, ny hafaliana taorian'iny famangiana apôstolika iny, izay nitondra fankaherezana lehibe ho an’ny malagasy. “Hipetraka ho fahatsiarovana maharitra ho an'ny mpino sy eo amin'ny tantaran'ny firenena ny famangiana apôstôlika nataonao tany aminay. Efa eo am-pitrandrahana ny hafatra rehetra navelanao izahay ka natomboky ny Fivondronam-ben'ny Eveka tamin'ny hafatra manokana momba ny fiarovana ny tontolo iainana (écologie intégrale) sy ny fampirisihiana amin'ny ady amin'ny kolikoly izany, tamin'ny hafatra taorian'ny fivoriana volana novambra lasa teo”.

 An-kafaliana no nandraisan’ny Ray masina ny Biraon'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. "Lasa raiki-pitia amin'i Madagasikara aho”, hoy izy. “Ary tena nanaitra ahy ary tsy hadinoko ny hatsaram-panahin'ny Vahoaka malagasy. Nahafinaritra ahy ny alim-bavaka niaraka tamin'ny tanora, ny vahoaka marobe tamin'ny lamesa, ny teny amin'ny Akamasoa, eny tsara be avokoa ny fihaonana rehetra natrehako tany ka izaho no tokony hisaotra anareo tamin'ny fandraisana sy ny fanomanana nataonareo”. Nasehon'ny Papa François ny sary vongan'i Masina Maria avy amin'ny Eglizy eto Madagasikara, napetraka eo ambaravaran'ny trano fanaovany audience, ary ao anatin'ny trano, ny sambo misy ny sainan'ny Vatican sy ny sainam-pirenena malagasy natolotry ny Filoham-pirenena azy. Mandritra ny taona mifandimby, hoy izy, dia hitso-drano ny olona rehetra horaisin'ny Ray masina i Masina Maria amin'ny alalan'ity sary sikotra avy any Madagasikara ity. Nisy moa resaka fohy momba ny fianam-pirenena ankapobeny sy ny fiainan'ny Fiangonana eto Madagasika.

Ny zoma 24 janoary 2020 kosa no nihaonan'izy ireo tamin’ni Mgr Piero Marini, Filohan’ny Komity pontifikaly ho an’ny Kongresy Eokaristika iraisam-pirenena, izay mety ho avy aty Madagasikara amin’ny volana Aogositra 2020 sy Mgr Paul Gallagher, Secrétaire pour les Relations avec les Etats, efa niaraka tamin’ny Papa François nitsidika an’i Madagasika.

Nampita ny vaovao: P Gabriel Randrianantenaina, Secrétaire de coordination eo anivon’ny Fivondronam-ben’ny Evekan'i Madagasikara

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...