Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

Nidiran'ny andian'olona mirongo fiadiana, tamin'ny alarobia 8 janoary teo, ny toerana misy ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria. Niezaka namaly azy ireo ny iray tamin'izy efa-dahy ireo ka novonoin'ireo jiolahy saingy tsy matiny fa naratra mafy. Narian'ireo mpaka an-keriny teny amin'ny lalana io naratra io ka izao nisy nahita izao. Mpandalo nandeha moto no nahita ka nitondra azy tany amin'ny hôpitaly. Mbola tsaboina noho ireo ratra mafy nahazo azy moa izy io ankehitriny. Nivavaka ho an'ny fanafahana ireo seminarista telolahy namany moa ny pretra ao amin'ny arsidiosezin'i Kaduna. Marihina fa tsy fantatra mazava ny toerana itazonan'ireo mpaka an-keriny azy telolahy ireo hatramin'izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...