I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.

Manampy amin'ny tolona fanao amim-bavaka ny fitadidiana, ny saina, ny sitrapo, izay fototra tsara amin'ny vavaka sy ny fandinihana masina. Ny fampiasana ny fandrenesana miisa 5 dia mitera-boka-tsoa. Ny fahalainana dia resena amin'ny sitrapo sy ny hafaliana, ny sitrapo dia isan'ireo hery lehibe hanampy amin'ny fifantohana anaty vavaka... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.

Ny vavaka dia tolona fa tsy haitraitra ary tena tolona ny fiainana maha kristianina, betsaka mantsy ireo faka-panahy mety hanelingelina, eritreritra samihafa. Ny vavaka dia ilana finoana sy fanantenana. Ny vavaka dia mitondra hafaliana sy fahatoniana. Misy ady tsy maintsy hatrehana manoloana ny vavaka, mila fiezahana hifantoka sy fanolorantena... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...