17 marsa — Ny Patrice na Patrick, resahana ny 17 marsa dia ilay nantosina hoe Apôstôlin'i Irlande. Teraka tao Boulogne-sur-Mer tamin'ny taona 373 i Patrice ary heverina fa zanaka anabavin'i Masindahy Martin de Tours izy.
16 marsa — I Masimbavy Bénédicte dia mpitoka-monina tao amin'ny fikambanana Clarisses, izany hoe mpanara-dia an'i Masimbavy Claire avy any Assise. Nanomboka ny taona 1214 izy no niditra tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Damien ao Assise.
15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.
14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco