Ny Eglizy dia vahoakan'Andriamanitra, milaza ny fiombonana ara-panahy sy miharihary efa iainany sy tsy maintsy iainany mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Fanekem-pihavanana ny Eglizy satria teraka tamin'ny fanekem-pihavanana vaovao izay naorin'i Kristy tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny Eglizy dia Misiônera na Iraka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.

Tsy mamelona fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa tena mitarika ny vahoaka ho any amin'ilay tanjon-kitodiany, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Io Fanjakàna io no natombok'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famondronany ny vahoakany eto an-tany ; Fanjakàna izay tsy maintsy itarina aty aoriana, ambaram-pahatapitry ny taona rehetra ; izay ilay maha-katôlika ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

16 aprily — I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...