Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.
Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco