Ny fandinihana masina dia fiverenana amin'ny zavatra hita nandritra ny vakiteny, fandalinana lalina kokoa hahazo ny lahatsoratra. Fandinihana hidirana lalina kokoa amin'ny fahafantarana an'i Jesoa ihany koa ity voalaza ity. Manampy amin'ny fandinihana masina ny fametrahana fanontaniana amin'ny tena ; ohatra : inona no ambarany amiko...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

17 ôktôbra 2024 — Alakamsiy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)

Amin'ny fotoana ny vavaka dia ilaina ny fahanginana, tokony ho tony tanteraka ny fo sy ny vatana, ny fifantohan'ny saina. Mba ahazoana tsara ny Tenin'Andriamanitra dia atao amim-pitandremana ny famakiana azy, azo atao ny mandray an-tsoratra na fanamarihana manandrify ireo teny manaitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

16 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...