Mila fiomanana mialoha rehefa mivavaka miaraka amin'ny Soratra Masina, ilana fahavononana. Ny vavaka dia misy fotoanany sy toerana ary toro-lalana avy amin'ny Soratra Masina. Ny Fiantsoana ny Fanahy Masina dia mitarika, mankahery sy mampifandray amin'ny hafa toy ny fiombonana amin'ny namana, fiombonana amin'ny Eglizy ary indrindra amin'Andriamanitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

15 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Fototry ny vavaka ny Soratra Masina, ao anatin'ny vavaka no teraka ny fihaonana amin'Andriamanitra sy ny olona iray ; ny vavavaka dia mampiova ny fiainantsika. Manana anjara toerana manokana eo amin'ny fiainan'ny Kristiana ny Tenin'Andriamanitra. Amin'io no iresahan'Andriamanitra amintsika olombelona sy fihaonana aminy, mampahatsiaro ny fitiavan'Andriamanitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

14 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...