01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.
31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.
Ny Eglizy dia nahazo fahefana avy amin'i Jesoa Kristy hanao didy. 1- Mankamasina ny andro fety natokan'ny Eglizy hoamasinina. 2- Mamonje Lamesa na ny fanompom-pivavahana amin'ny andro alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe. 3- Manambarà amin'ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra, na dia indray maka isan-taona ihany aza. 4- Manaova Komonio tsara amin'ny vanin'andro fankalazana ny Paka.
5- Mifadia hanim-be, ary mifadia hena amin'ny Alarobian'ny Lavenona, sy ny Zoma Masina. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco