17 febroary — Tsy i Alexis irery akory no tsaroana ny 17 febroary fa maro izy ireo, anisan'izany ohatra ireo olona enina izay niaraka tamin'i Alexis nanorina ny Fikambanan'ny Mpanompon'i Maria na ny Ordre des Servites de Marie.
Mahatsapa ankehitriny noho ny hazakaza-dava sy ny vesatry ny fiainana, ny fahasahiranana ara-piainana, ny mozika sy ny tabataba be tsy ifandrenesana ka tsy hahafahana mihaino ny feon'ny fieritreretana sy ny bitsiky ny Fanahy Masina, ny vokatry ny fandrosoana sy ny fanatontoloana mirimorimo mafy loatra. Maika lava ny olona ankehitriny ka tsy mahari-pery... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
Nahatsiaro ny Colonnel Ratsimandrava izay tia tanindrazana ny Malagasy tamin'ny 11 febroary. Zava-dehibe ny fivondronana hiady amin'ny fifankahalàna, entina hisedra ny sakana sy ny ady amin'ny fahantrana. Ny fitsinjovana ny zon'ny ankizy sy ny tanora ary ny fianakaviana dia hafatra lehibe napetraky ny Ray Masina François ; ilaina ny fanasongadinana ny firaisan-kina mba hampandrosoana ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
16 febroary — I Masimbavy Julienne dia anisan'ireo malaza tamin'ireo vehivavy virjiny maty martiry noho ny finoana an'i Kristy tao Nicomédie. Nisy tovolahy iray avy amin'ny fianakaviana ambony nangataka azy ho vady. Nampahafantariny an'io tovolahy io fa kristianina izy ary tsy hanambady afa-tsy kristianina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco