Izy Andriamanitra dia miteny ny tsara avy aminy, ary hitany ihany koa fa tsara izany, porofon'izany dia Izy Andriamanitra mihitsy no nahatsapa izany fahatsarana izany tamin'ny famaranana ny asa fahariana. Nanome tso-drano manokana ny olombelona Andriamanitra tamin'ny tantaran'ny fahariana izay manaporofo fa sarobidy eo imasony ka afaka hizaka ny zava-boahary ny olombelona.... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
24 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Araka ny voasoratra ao amin'ny Jenezy dia mitso-drano mandrakariva Andriamanitra, nanomboka tamin'ny fahariana ani'izao tontolo izao izany ; nitso-drano ny voahary rehetra Izy na ny olombelona na ny biby, mba hitombo hanerana ny tany. Nitso-drano ny olombelona izy mba hizaka ny voahary, ary nampianatra ny olombelona mba hitso-drano ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
23 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco