Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.
Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco