26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.
Vokatry ny Batemy no nahatonga antsika ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra, Andriamanitra Trinite Masina. Nanova ny maha izy antsika io, nanokatra ny lalam-piainana mampiombona antsika hatrany amin'Andriamanitra. ... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.
Ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely dia samy maneho ny fiombonam-piainana nisy teo amin'i Jesoa sy ny Ray, ary tamin'ny toe-javatra natrehina dia hita miharihary ny vavak'i Jesoa maneho ny tsy maha irery Azy sy ny fitodiany mandrakariva amin'ny Ray. Anisan'ny mampiharihary ny maha kristianina ny fiombonany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco