Ilaina ny mivavaka ka mivavaha lalandava, mivavaha am-paharetana. Hoy ny Papa François hoe : aza maka fomba ratsy toy ny hoe tsy mivavaka raha tsy misy zava-dehibe hatrehina. Ny toe-tsaina tokony hanana rehefa mivavaka dia mitalaho, mangataka, midinika, mamerimberina, manam-paharetana, tsy kivy ary manantena lalandava. Rehefa mivavaka dia ataovy tsotra... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
Alahady faha-7 mandavantaona — D : Soavy ireo tsy tia antsika ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao. Ny tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity dia samy mampianatra ny soa hatao amin'ireo tsy tia, fitiavana ny fahavalo, fitiava-namana, famindram-po, ny fanaovantsoa... Ny olombelona dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ny famindram-pon'Andriamanitra no mankahery antsika ary io no nahatonga antsika ho zanany. Toetra mampiavaka ny kristianina ny tsy famaliana ratsy ny hafa, fa kosa mba hivavaka sy hanao soa ny fahavalo...
22 febroary — Raha ny tetiandron'ny Fiangonana Katôlika Romana no jerentsika dia intelo ny Fiangonana no manoka andro hatsiarovana an'i Masindahy Pierre ao anatin'ny taona. Ao ny 29 jona hankalazana ny fetin'i Masindahy Pierre sy Paul miaraka. Eo ihany koa ny 18 novambra fankalazana ny fitokanana ny Bazilikan'i Masindahy Pierre. Ary ity ankalazaina androany ity dia ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre.
Ny kristianina manam-pinoana ihany, hoy ny Papa François, no tena manam-paharetana, izay faharetana miavaka. Eo amin'ny vavaka no tena ilàna faharetana, eo koa ny fihaonana amin'Andriamanitra, ary eo koa ny fitozoana amin'ny resaka ataontsika amin'Andriamanitra. Nitady ny fomba mba hivavahana lalandava i Moizy sy ny namany ka nahomby izy ireo, sady nandresy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco