23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
Ireo mpandraharaha voahosotra dia tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana. Amin'ny maha mpanompon'ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika ny vahoakan'Andriamanitra ho any amin'ny loharano velon'ny fivavahana : Tenin'Andriamanitra, ny litorzia... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco