09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

Nivavaka toy ny miady aina i Jesoa tao amin'ny sahan'i Getsemania, rentsika tsara ny vavaka nataony tamin'io "Ray o! Raha azo atao, aoka esorina amiko ity kapoaka ity..." Na Andriamanitra aza i Jesoa dia tena nihorohoro sy natahotra ny fahafatesana fatratra tokoa. Mampianatra antsika i Jesoa amin'ny vavaky ny mpisorona mba tsy hisasraka amin'ny vavaka na miady aina aza... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...

08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...