Tsy azo fafana ny famindram-pon'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Na inona na inona fahotantsika olombelona dia Andriamanitra mamindrafo mandrakariva. Andriamanitra ihany no mahalala ny tso-drano izay nomeny antsika. Tahaka ny toetra ananan'Andriamanitra sy ny famindram-pony dia antenainy iska mba hisokatra sy hihatsarana ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

28 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Tsy esorin'Andriamanitra amintsika olombelona ny fepetra maha zanany antsika, ary indrindra miandry mandrakariva ny fiverenan'ny zanany mania Izy. Noho ny maha zanak'Andriamanitra antsika dia maro ireo fahagagana sady lehibe eo amin'ny fiainantsika. Andriamanitra no nanosotra antsika olombelona ho zanany, tsy mahafoy zanany izy fa ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

27 septambra 2024 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...