11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.

Nandalina ny lalana sy ny teôlôjia izy tao Sorbone, nahavita ny fianarana, manadram-pahatonga ho docteur azy izy, fa nolaviny izany noho ny fanetren-tenany. Nohamasinina ho pretra izy rehefa niverina tany Pologne, ka voatendry ho chanoine tao Cracovie. Mpitantana ara-panahy malaza i Masindahy Stanislas, ary voafidy ho eveka tao Cracovie izy. Fanendrena tsy nekeny mihitsy io, raha tsy ny papa Alexandre II, tamin'ny taona 1072, no nanome baiko azy.

Nanjaka tao Pologne tamin'izany fotoana izany i Boleslas II. Ity mpanjaka ity dia tena nanana toetra feno habibiana sy nahatsiravina mihitsy, ka nampitahoron'i Stanislas izy fa hoesorina ao amin'ny Fiangonana raha mbola manana izany toetra ratsy izany. Mba hamaliana faty an'i Stanislas àry, dia noheloihin'i Boleslas izy fa hoe nangalatra tanin'olona. Nividy ny tany tamin'ilay olona antsoina hoe Pierre mantsy i Stanislas, fa tsy nangataka taratasy tamin'io mpivarotra tany io izy nanamarina fa tena nalohany vola marina io tany io. Nony taty aoriana, maty ilay nivarotra ny tany taminy. Io no nohararaotin'i Boleslas, ka notereny ireo mpandova mba hitory an'i Stanislas fa hoe nangalatra ny fananan'izy ireo.

Alohan'ny hiakaran'i Stanislas teo amin'ny fitsarana dia nangataka telo andro izy aloha, ka nandritra izany fotoana izany izy dia nifady hanina, nivavaka sy nihari-tory. Avy eo izy, nankany amin'ny fasan'ilay olona nivarotra ny tany taminy, rehefa tonga tao dia novahany ny fasana ary nokasihany tamin'ny tehana ilay vatana mangatsiakan'i Pierre, dia nobaikony io mba hitsangana. Tonga àry ny andro handehanana any amin'ny fitsarana. Dia niara-nijoro tamin'i Stanislas tao amin'ny fitsarana i Pierre ka hoy izy teo anatrehan'ny fitsarana : "Io i Pierre, ilay nivarotra tamiko ny tany, nitsangan-ko velona izy mba hijoro ho vavolombelona eto anoloantsika. Anontanio izy raha tsy nandoa ny vola vidin'ny tany taminy aho. I Pierre moa fantatry ny olona, ary hita ihany koa hoe nisokatra ny fasany. Natsangan'Andriamanitra izy mba hilaza ny marina, teniny no marina noho izay hijoro ho vavolombelona eto".

Nahita izany i Boleslas dia nahatsiaro ho diso sy niaiky fa tsy nijanona teo anefa ny fanenjehany an'i Stanislas. Niverina tamin'ny fiain-dratsiny indray izy, izay tena mendrika halana teo amin'ny Fiangonana mihitsy. Indray andro, nankalaza ny Sorona Masina tao amin'ny Fiangonana antsoina hoe Saint-Michel ivelan'ny tananan'i Cracovie i Stanislas, dia nandefa miaramila tany i Boleslas mba hanafika azy, nefa resy ireo miaramila ireo. Dia Boleslas mihitsy no nandray sabatra ka namono ity evekan'i Cracovie. Navelan'izy ireo teo an-dalambe ny nofo mangatsiakany nandritra ny roa andro, fa na ny papango aza dia niaro izany vatan'i Stanislas izany mandram-pakan'ireo pretra azy sy nandevenana azy teo amin'ny varavaran'ny fiangonana ny 08 mey 1079. Nasandratry ny papa Innocent IV ho olomasina i Stanislas ny taona 1253, ary ny papa Clément VIII no nametraka azy tao amin'ny tetiandro litorjika, mba ho ankalazain'ny olona maneran-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...