Tsy misy fahotana afaka mamafa ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona ; na ao anatin'ny fahalemena aza isika olombelona dia tsy misy mahasaraka antsika amin'Andriamanitra. Isika dia saribidy eo anoloan'Andriamanitra fa tsy ny fahotana.
Andriamanitra dia fitiavana tsy misy fetrany ka mitso-drano antsika isan'andro, toy ny ray aman-dreny tsy mahafoy ny zanaka tiany... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
I Kristy no tso-drano lehibe avy amin'Andriamanitra. Ny fanantenan'izao tontolo izao dia ny tso-dranon'Andriamanitra. I Kristy no fara-tenin'Andriamanitra izay teny soa, izay fitiavana manafaka antsika amin'ny fahotana. Hoy Md Paoly : isaorana anie Andriamanitra nitso-drano, tamin'ny alalan'ny Jesoa Kristy izay tso-drano faran-tampony... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
25 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco