14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.

Tamin'izany fotoana izany dia nenjehina fatratra ny kristianina, ka nosamborina ihany koa i Maxime ka notapahan-doha niaraka tamin'i Valérien sy i Tiburce ny 14 aprily 117. Milevina ao Prétextat, via Appia ao Roma izy telo mirahalahy ireto ary najaina tao Roma nanomboka tamin'ny taonjato fahadimy.

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...