23 aprily — I Masindahy Georges dia teraka tao Cappadoce avy amin'ny fianakaviana kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin'ny tafika romana izy ary ny amperora Dioclétien no nanondrotra azy ho eo amin'ny laharana ambony indrindra tao amin'io tafika io.

Amafisina amin'ny finoana noho ny Sakramentan'ny fankaherezana ny fifamatorana misy eo amin'ny Kristianina iray sy ny Eglizy, mameno azy amin'y hery manokana ny avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia dia sady loharano no tampon'ny fiainana maha-kristianina manontolo, andraisan'ny mpino anjara ka anolorany amin'Andriamanitra ilay "sorona" tsy manam-paharoa ary ny tenany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.

Ny Sakramenta no manamasina ny Eglizy vahoakan'Andriamanitra ; tsy tanjona akory ny maha-zanaky ny Eglizy fa ny Eglizy indrindra aza no famantarana hita maso ny zavatra tsy hita maso : ny asa sy ny fisian'Andriamanitra eo amini'zao tontolo izao. Fitaovana anamasinan'Andriamanitra ny vahoakany ny Sakramenta, tsy natokana ho an'olom-bitsy ny fanamasinam-piainana ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...