29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.

28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.

27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.

26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...