15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.

Nobaboin'ireo silamo ny tanànan'i Madrid, toerana nonenan'izy ireo, hany ka voatery nankany ambanivohitra izy. Maria Toribia no anaran'ny vadiny, ary niteraka iray izy ireo. Rehefa lasa ireo arabo dia niverina tany Madrid izy. Niaina tamim-pitiavana tokoa izy mivady, ary noho ny tsy fahampiana dia nifanohantohana amin'ny ady sarotry ny fiainana. Fa na teo aza izany dia vitan'izy ireo ny nitsimbina ny mahantra, ary fantatr'Andriamanitra izany fahalalahan-tanan'izy ireo izany.

Indray andro, mba hanome hanina ho an'izay mpangatka tonga tao aminy izy ireo, dia tsy nisy na inona na inona tao an-trano. Lasa anefa ramatoa nikarokaroka dia gaga sy talanjona fa nisy lovia nisarona teo an-joron-trano, nosokafany io, ary indro ilay sakafo fihinan'izy mianakavy mbola nisy tavela, nefa fantatr'izy ireo tsara fa tsy nanana amby intsony izy ireo. Nampitombo sy fitokisany an'Andriamanitra izany seho izany, ka tsy nampitaraina azy ireo ny tsy fahampian-tsakafo, ary tena am-pifaliana tokoa no niainana an'izany. Nisy nialona anefa izany fiainan-tokantranon'izy ireo izany, ka nohendrikendrehin'ny mpiara-miasa aminy tamin'ny mpampiasa izy, fa hoe ilaozan'i Isidore mivavaka any am-piangonana fotsiny, fa tsy miasa, ka tsy ara-dalàna ny asa eny an-tsaha, dia nizaha izany ny tompon'ny saha ka akory ny hagagany nahita ny sahany tena voakarakara tsara.

Teo amin'ny faha-60 taonany i Isidore no maty, tamin'ny 1030. Vetivety dia nisy fahagagana niseho teo am-pasany ka nitombo ny fanajana an'i Isidore. I Philippe III, mpanjakan'i Espagne, no nahatonga ny anaran'i Isidore ho tafiditra ao amin'ny tetiandron'ny olomasina. Narary mafy mantsy ity mpanjaka ity ny taona 1619, ka nasainy nentina tao an-tranony ny reliques an'i Isidore avy eny amin'ny fiangonan'i Masindahy André, sitrana tokoa ny mpanjaka, ka noho ny fankasitrahany dia, niangavy mafy ny papa Grégoire XV mba hampiakatra ambony ôtely an'io mpanao asa soa io. Neken'ny papa izany, ka roa taona taty aorina, 1622 no natsangan'i Grégoire ho olomasina izy mivady. Natao ho mpiaro ny mpiasa tany, sy ny tananan'i Madrid izy, ary misy fomba entina mankalaza an'io olomasina io isan-taona, isaky ny tapany faharoan'ny volana mey, ary anisan'ny fomba atao amin'izany fankalazana izany, ny misotro ny rano antsakaina ao amin'ny loharano mahagagan'i Isidore.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...