06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.
Ny tena nampivarahontsana azy dia ny tantaran'ny fijalian'i Krisy. Ary vao dimy taona izy dia nahazo niservy Lamesa, nefa tsy mahazo manao izany tamin'izany fotoana izany raha tsy feno enin-taona ; nataony tamim-pahamendrehana sy fanajana feno io asa masina io. Noho ny fahitan'ireo lehibe teo amin'ny Fiangonana fa latsa-paka tao amin'ity zaza ity ny finoana, dia nomena alalana i Dominique handray ny Kômonio voalohany teo amin'ny fahafito taonany, tsy fanao izany tamin'izany fotoana izany. Ny andro nandraisany ny Kômonio voalohany no nakany ny fikasana tsara, ary niriny hiainana mandram-pahafatiny izany fikasana tsara izany, dia ny hoe : "Hankamasina ny andro fety rehetra aho, hikônfesy matetika ary handray Kômonio matetika araka ny fahazoan-dalana omen'ny pretra mpitantana am-panahy ahy. I Jesoa sy i Maria no namako, aleoko maty toy izay manota". Ireo izany no fikasana nataon'i Dominique Savio tamin'izy natao Kômonio voalohany.
Naniry mafy ny ho tonga pretra i Dominique ka vatrany ny mandeha an-tongotra, tsy mikiraro, tsy mikapa, mandeha 16 kilometatra isan'andro mba hianatra sy hanovo fahalalana. Nanohina ilay pretra mpitantana tao amin'ilay Fiangonana nisy azy ireo izany finiavan'ity zazalahy ity izany, teo ihany koa ny fahitany ny fahantran'ny fianakaviany ka nahatonga azy hitondra an'i Dominique tany amin'i Don Bosco. Rehefa nifampiresaka i Don Bosco sy i Dominique, dia tsapan'i Don Bosco ny faharanitan-tsain'ity zaza ity, ka nanapahany hevitra avy hatrany ny handray azy. I Dominique koa, nandray azy ho toy ny rainy taty aoriany. Ny ôktôbra 1854 no natolotra an'i Don Bosco tao Turin i Dominique Savio, teo amin'ny faha-12 taona sy tapany teo.
Zazalahy feno hatsaram-panahy, marani-tsaina ary miavaka indrindra izy amin'ny fikolokoloany ny fanahiny amin'ny fandraisana ny sakramentan'ny fampihavanana, isan-kerinandro. Ny 8 desambra an'io taona io, dia nambara ho ren-tany aman-danitra fa tsy Voakasi-pahotana tamin'ny fototra ilay Renin'Andriamanitra, tamin'io fotoana nankalazana sy niderana an'ilay Virijiny Masina io no nanoloran'i Dominique Savio ny fiainany manontolo sy ny fahadiovany ho an'izany Renin'Andriamanitra izany. Ny fitiavan'Andriamanitra an'io fahadiovana io no nanamelohany izay rehetra manohintohina izany tao amin'ity sekolin'i Don Bosco.
Ny taona 1855, niverimberina tao an-tsainy hatrany ilay antson'Andriamanitra, hoe, tian'Andriamanitra ho masina aho, ary naveriny ihany koa tamin'i Don Bosco io. Nitady izay fomba hitoviany amin'i Jesoa àry i Dominique, dia i Jesoa ilay miaina ny misterin'ny fijaliana. Nitombo tao aminy hatrany ny fitiavana an'i Jesoa mpanavotra ; niaina ny fahafohizan-tena izy ary dia nizotra mihitsy tamin'ny lalan'ny fibebahana sy ny famolahan-tena, fa hoy i Don Bosco nanakana azy, hoe : "Tsia, ny adidinao dia ny mianatra amin'ny maha mpianatra anao, ny hafaliana maharitra amin'ny fanompoana ny namana, izay no fahamasinana". Nankasitrahan'i Dominique sy nankatoaviny tamin-kitsi-po izany fomba famolahan-tena salezianina izany. Isan'andro izy, mahita an'i Jesoa ao amin'ny Eokaristia, ary tsapa fa ny vavaka fisaorana ataony dia teny hafaliana madio avy ao am-po. Rehefa nilaza ilay fikambanana atao hoe Compagnie de l'Immaculée, i Dominique dia nanontanian'ireo namany hoe : fa inona no atao amin'izany ? Dia hoy izy hoe : "Voalohany indrindra dia, ho tiavintsika i Masina Maria amin'ny fontsika manontolo, dia hangatahantsika izy mba hiaro antsika mandritra ny fiainantsika rehetra, indrindra amin'ny ora hahafatesantsika, ary farany isaky ny misy fety dia atao izay tratry ny aina hanome voninahitra azy sy manao Kômonio tsara".
Teo amin'ny fahasalamana, dia farofy i Dominique, ririnina ny andro tamin'izay, ny taona 1857, nihombo ny aretiny, ka na teo aza ny herim-pony sy hafaliany dia voatery tsy maintsy nanapaka fianarana izy. Kilasy faharoa izy tamin'izay ary nalefa niverina nody tany amin'ny fianakaviany, tany Mondonio, mba hitsabo tena sy haka aina. Herinandro tao aorian'io anefa dia teo am-pofoan-drainy i Dominique no nisento farany sy nametraka ny fiainany teo am-pelatanan'Andrianmanitra. Efatra ambin'ny folo taona sy iraika ambin'ny folo volana izy tamin'izany. Araka ny fitantaran'i Don Bosco dia i Dominique Savio izany no heverina fa coopérateur salezianina voalohany, ary heverina fa ny fanajana sy ny fahamendrehana tamin'ny fanaovany ny asa nankinina taminy, amin'ny maha mpiantra azy sy amin'ny maha zaza azy, indrindra fa teo amin'ny Sorona Masina, no nahatonga ny mpiservy lamesa ankehitriny maka ho modely azy eo amin'izany fiainana fanompoana an'Andriamanitra izany.