05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.

Mbola tanora i Judith dia maty ny vadiny ka nilaozany ny tananany sy ny fianakaviany ary lasa izy namonjy ilay anadahiny, Hanon von Sangerhausen izay lehiben'ny Ordre Teutonique tamin'izany fotoana izany. Tany akaikin'io anadahiny izy no nipetraka, tany amin'ilay toerana antsoina hoe : Kulmsee, tany no nandaniany ny androny tamin'ny fanaovana asa fanasoavana. Nanorina trano fitsaboana sy trano fitokana-monina i Judith ary niaina ny aim-panahin'i Masindahy Benoît. Tao moa izy no nodimandry tamin'ny taona 1260.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...