♦ Mbola hanao ny tatitra ho an'ny vahoaka ireo député Tim mbola tsy nahavita ny azy ho ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy eken'ny mpiasan'ny fahasalamana ao Tsiroanomandidy ny fanalàna tsy misy fanazavana ny lehiben'izy ireo  ka hanoloana azy olon-kafa... ♦ Ampitomboina ny vola alaina amin'ny varotr'omby ao amin'ny Kaominina Ampanotokana... 

♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Hovoizina mandritra ny fankalazana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fizakan-tenan'ny vehivavy. Mifanotrona amin'ny vehivavy any Antsiranana ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina... ♦ Nahavita ny tatitra ho an'ny vahoaka ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo Renivohitra, tamin'ny sabotsy lasa teo...

Alatsinainy 8 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosortana'i Masindahy Lioka 4, 24-30

Alahady 7 marsa 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-25

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...