♦ Nanakoako nanerana ny nosy omaly ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy. Tany Antsiranana ny fanamarihana nasiônaly, notarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny fambolena honko... ♦ Mitaky amin'ny fitondrana malagasy, hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hampiroboroboana ny zon'ny vehivavy ny Filankevi-pirenena momba ny vehivavy eto Madagasikara...
Talata 9 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35
♦ Mitaky fanampiana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra eny amin'ny tsenan'ny Coum 67Ha... ♦ Vola maherin'ny 140 tapitrisa Ariary kosa no lasan'ireo jiolahy, nandritra ny fanafihana banky tany Antsirabe...
♦ Mbola hanao ny tatitra ho an'ny vahoaka ireo député Tim mbola tsy nahavita ny azy ho ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy eken'ny mpiasan'ny fahasalamana ao Tsiroanomandidy ny fanalàna tsy misy fanazavana ny lehiben'izy ireo ka hanoloana azy olon-kafa... ♦ Ampitomboina ny vola alaina amin'ny varotr'omby ao amin'ny Kaominina Ampanotokana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco