♦ Namerina nampahafantatra androany ireo solombavambahoaka TIM fa hakisaka eny amin'ny Magro Tanjombato ny tatitra amin'ny vahoaka saika hataon'izy ireo eny Soamandrakizay. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Prefektioran'ny Pôlisy Antananarivo... ♦ Nivadika ho andro ratsy ilay tangoron-drahona naraha-maso tao amin'ny Lakandranon'i Môzambika. Anio alina izy no hanatona ny maron-tsiraky ny faritr'i Melaky, ka mety ho lasa "dépression tropicale"...

Olana ho an'ny mponina ao amin'ny Kaominina Anjapaly, faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika amin'ny tanàna maro izay manimba ny fambolena. Ny rara-pasika be loatra no mahatonga ny mponina hifindra monina. Niara-niasa tamin'ny CRS ny mponina hifehezana ny rara-pasika tsy hiparitaka ka namboly zanak'ala laloasy sy lalanda. Ny fandrefiala mena dia misy karazany 12isa. Biby efa hita teo amin'ny nosy hatramin'ny taona 1880, tamin'ny faritra maro... 

♦ Tsy misy afatsy ny fifampidinihana ihany hoy ny komity Miaro ny Soa Iombonana ny famahàna ny toe-draharaha politika misy ankehitriny... ♦ Nitondra voka-tsoa tamin'ny fanatsaràna ny fari-piainan'ny tantsaha ny fametrahana ny rafitra nisahana ny tahiry ifanohanana teny Ifotony hoy ny filoha nasiônalin'ny FIFATA... ♦ Natao tany amin'ny faritr'i Vakinakaratra ny atrik'asa momba ny tany manana sata manokana iaraha-mitantana...

Raha mitohy dia mitondra famoizam-po ary mitarika mankany amin' ny fahafatesana ny terintsaina.(03-03-2021)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...