♦ valan'aretina entin'ny coronavirus, maherin'ny 500 isan'andro ny tranga vaovao tao anatin'ny 03 andro nisesy, manodidina ny 35% ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ary 500 ny fitambaran'ny olona lavon'ny aretina teto Madagasikara... ♦ Amperin'asa nanomboka omaly ireo dokotera mpitsabo sy mpitsabo mpanampy nanolo-tanana tamin'ny antso nataon'ny fitondram-panjakàna faritra Analamanga... ♦ Nandripaka omby 400 mahery tao amin'ny distrikan'i Mananjary tao anatin'ny roatokom-bolana ny FVR... 

Alatsinainy 12 avrily 2021 — Herinaindro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8

Ny rarintsaina dia fitambaran'ny famalian'ny vatana sy ny taova rehetra ao anaty, manoloana tranga manokana iray na maromaro ka manome tsindry na vesatra amin'ny saina na amin'ny vatana na amin'ny taova ao anaty. Tsy mifidy taona ny rarintsaina fa mety ho tratra daholo rehefa olona, izay vokatry ny fahakelezan'ny herin-tsaina sy/na ny herim-batana manoloana tranga ara-piaraha-monina na tsy fahafahana maneho fihetseham-po... 

♦ Efa manomboka mamaly ny antson'ny fanjakàna ireo mpitsabo sy Paramed tsy miankina amin'izao ady amin'ny coronavirus izao... ♦ Tsy vahaolana intsony ny fandaniam-bola amin'ny resaka fitiliana hoy ny Ministra teo aloha  Dr Joseph Randriamiandrisoa... ♦ Taxi-be miisa 05 isaky ny Kôperativa ihany no hampiasaina hanao ny BUS CLASS hoy ny UCTU... 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...