♦ Tanterahana anio manerana an'i Madagasikara ny fanadinam-panjakàna CEPE. Maherin'ny 456 000 ireo mpiadina hiatrika izany, manomboka amin'izao maraina izao... ♦ Andro faharoa ho an'ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ny anio. Misy amin'ireo mpiadina no nampiseho tsy fahafahana miatrika izany, noho izy ireo mitondra vohoka... ♦ Niverina niasa nanomboka omaly ireo Mpiasan'ny Paositra Malagasy nitokona teny Antaninarenina tamin'ny herinandro teo... 

Mila saina mandinika sy mandanjalanja fa tsy sodokan'ny fampisehoana na kabary tsara lahatra, indrindra fa ny zavatra ara-panahy dia ilàna ny finoana ka tsy tokony afangaro amin'ny tombontsoa ara-nofo. Valin-tenin'ny olona tsirairay araka ny feon'ny fieritreretany ny finoana, valin-teny an-kalalahana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

♦ Miisa 546.635 ireo hiadina CEPE rahampitso manerana ny nosy. Iray amin'ireo no manana toe-batana "autiste"... ♦ Misy amin'ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena bakalorea no voamarina fa mitondra vohoka. Olana niverimberina teny amin'ny kianjan'i Betongolo kosa ny fanadinoan'ireo mpiadina ny karatra maha mpianatra sy ny kara-panondrompirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...