Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: "Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra." Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: "Mangina ary mialà amin’io lehilahy io." Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: "Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny." Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...