Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.

Nangala-pihinana ka nanara-po tamin'ireo sakafo nomanina ho an'ny vahiny ny tovolahy iray antsoina hoe Viglietti tao amin'ny Oratorio. Narary kibo mafy vokatr'izany izy. Nibaboka ny helony izy, ary nikonfesy tamin'i Don Bosco fa nihevitra fa efa saika ho faty.

(08-01-2020) Midika zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny lokon'ny sainam-pirenena, ny fotsy, ny mena ary ny maintso.

Nataon'ilay ray nanangana an-kilabao sy ilay anadahy indramina an-jorom-bala i Line Bordas. Nentina ara-bakiteny amin'ny maha zaza natsangana azy tokoa ny fitondrana azy tao an-tokantrano.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...