Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Nomarihana omaly, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demôkrasia. Ny fampiharana izany dia antoka ahatongavan'ny mpamatsy vola hoy Andrimatoa Maka Alphonse, CFM... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany hiadiana amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna, hiverina amin'ny laoniny ny izy io hatramin'ny taona 2050... ♦ Hita taratra ny fandrosoan'ny fandaharanasa momba ny fahasalamana antsoina hoe "ACCESS", araka ny tombana nataon'ireo tompon'andraikitra...

Voajanahary ve ny antson'Andriamanitra?. Ny lalam-piainana ho an'ny olona iray dia efa voasoritra hatramin'ny fahaterahany, fa Andriamanitra kosa dia manome fahalalahana hisafidy ho an'ny tsirairay, ka miantso ankahalalahana izy. Tsy lahatra ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 16 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...