♦ Hamaha ny olan'ny tsy fahampian-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin'ny alalan'ny fandatsahana orana artifisialy ny ministeran'ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana miaraka amin'ny Jirama... ♦ May ny foibem-pikarohana CNRIT eny Tsimbazaza. Boky maro mirakitra ny fikarohana nataon'ny Malagasy Mpikaroka no may... ♦ Hetahetan'ny fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara ny hametrahana teknisiana eny anivon'ny kaominina hanampy azy ireo amin'ny famokarana...
Mety miovaova ihany koa ny famaliantsika ny antso rehefa tsy haintsika ny mandanjalanja azy ka mety hanahaka izay voalazan'ny Evanjely ao amin'ny Lk 9, 57-62. Rehefa entanim-po fotsiny isika dia sahy milaza hoe " hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao " tsy mamantatra izay mety hitranga akory. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alakamisy 25 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28
♦ Handatsahana orana artifisialy mandritra ny efatra andro ny eto Antananarivo sy ny manodidina ary ny any Andekaleka, manomboka androany. Fepetra noraisina hanampiana ny famatsiana rano sy jiro izay misedra olana ankehitriny... ♦ Hiampita eny amin'ny Antenimierandoholona indray ilay lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2022, tao aorian'ny teny Tsimbazaza. Ny 9 desambra izao no hiroso amin'ny fankatoavana izany, anaty fivoriana itambaram-be ireo Loholona...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco