Tamin’izany andro izany, dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana sady niantso mafy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!" Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?" Hoy ireo taminy: "Eny, Tompoko." Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy: "Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo." Dia nahiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: "Tandremo sao ren’olona izao." Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny, hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo. Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: "Mampalahelo Ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy, tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina sao dia reraka eny an-dalana izy." Fa hoy ny mpianany taminy: "Aiza no hahazoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an’efitra?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Manana mofo firy ianareo"? Hoy ireo taminy: "Fito sy hazandrano madinika vitsy foana." Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakìny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina.

♦ Nisy olana ny famoahana ny solika tokony hamatsiana ny mpanjifa manerana ny nosy tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nifanenjana amin'ny resaka trosa ny Fanjakàna sy ny mpandraharaha mpanafatra solika... ♦ Misy ny tsy fahafaha-mandoa karama eo anivon'ny Senat, 3 volana tsy nandray karama ireo mpiasa tsy raikitra sy miaramila... ♦ Afaka noho ny fisalasalàna i Ravo Nambinina, ilay nahasahy namoaka ny fisiana kolikoly teo anivon'ny Minsteran'ny fahasalam-bahoaka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...