Sabotsy 15 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17
♦ Hampakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra amin'ity taona ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Foibe Fitantanana ny Hetra. Tsy nisy afa-tsy 10,9% izany, tamin'ny taon-dasa... ♦ Miverina mianatra avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy amin'ny alatsinainy 17 janoary, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hotanterahana ny alatsinainy 18 hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 kosa ny Baccalauréat, ho an'ny fampianarana ankapobeny...
Maneho ny fahamasinan'i Masina Maria ny fahavirjiniana. Tsy virjiny ara-batana fotsiny izy fa virjiny ara-panahy, hoy i Md Ambroise. MIfototra amin'ny fiarahaban'ny anjely hoe : "arahaba ry ilay feno hasoavana" ny fampianaran'ny Eglizy. feno hasoavana i Masina Maria, izany hoe: tsy voakasaky ny fahotana tamin'ny fototra fa soa daholo ny ao anatiny. Fandaharana momba an'i Masina maria, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
♦ Nomarihana tamin'ny alahady 9 janoary 2022, ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Masera Saint Joseph d'Aosta, any Vohilava, Mananjary... ♦ Mitaky toe-panahy vonona ny hisokatra, mahay mihaino sy mifanakalo hevitra, ny fandraisana anjara amin'ny Sinaody... ♦ Niarahaba sy nirary soa ny Papa François ny diplaomaty miisa 183 ho Masoivoho vahiny any amin'ny Fiketrahana Masina...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco