Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy  misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 20 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

♦ Hihena ny rotsak'orana ho an'ny faritra Analamanga siangy mbola hitohy hatrany izany hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihamafy ny any amin'ny Faritra hafa hoy ny météo Malagasy... ♦ Miato hatramin'ny zoma izao ny fampianarana any amin'ireo faritra mena sy mavo voasokajy ho tandindomin-doza amin'ny rotsak'orana... ♦ Miara-mientana hanatratra ny fanamby amin'ny fampiakarana ny vokatra ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna malagasy...

♦ Afaka mitroka sy mamoaka rano hatrany amin'ny 9m3 isaky ny segondra iray ireo paompy 3 lehibe eny amin'ny station de pompage eny Ambodimita hoy ny APIPA... ♦ 60 hatramin'ny 70 eo ny fitaovam-pamokarana samihafa, hanodinana ny vokatry ny tantsaha, no nafaran'ny fitondram-panjakàna, hanampiana ny tantsaha...  ♦ Nohamafisina izao fa ho raisin'i Madagasikara ny fampiantranoana ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11, taona 2023...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...