♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...

♦ Tsy marina ny filazàna fa nafindra amin'ny vahiny na amin'ny fondation Axian ny fitantanana ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza hoy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Hatao lavanty ary ampanarahana ny fenitra ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony sy praovandy, miisa 103 ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, isan'ny  tapaka tamin'ny filankevitry ny ministra omaly izany... ♦ Manentana ny zatovo sy ny tanora hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny baolina kitra ny Orange Madagascar. Naompana amin'izay tanjona izay indray ny fifaninanana Orange kitra 2021, lalaovin'ny olona 7 ho an'ny zatovo 12 sy 13 taona...

Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Voatohitohina ny fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany any amin'ny faritra Menabe. Voafetra ny fahafahan'izy ireo mahazo vaovao momba ny Covid-19... ♦ Miatrika zaikabe eto an-drenivohitra mandritra ny roa andro hifarana anio ny vondron'ny mpivaro-panafody matihanina eto Madagasikara. Dinihana mandritra izany ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Nanomboka omaly ny fotoam-pihotazana letchi any amin'ny faritra atsinanan'ny nosy. Tombanana ho 16 000 taonina ny vokatra haondran'i Madagasikara amin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...