♦ Misokatra ho an'ny fiarabe mpitatitra entana ny lalam-pirenena faharoa. Vita omaly ny tetezam-by ao Ambarolava-Moramanga, nijery ny asa ny filohan'ny Repoblika... ♦ Tafiakatra 41 ny isan'ny maty teto amintsika nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy farany teo. Mbola mitoetra ho an'ny lemak'Antananarivo ny filazana loza mitatao... ♦ Natsahatry ny zandary ny fampiofanana ao amin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimaria ao Moramanga, nalefa nanampy ny vahoaka ny mpianatra...
Miankina amin'Andriamanitra miantso "ny antson'Andriamanitra". Mifampiakina amin'ny fifandraisan'ilay voaantso sy Andriamanitra ; mila olona hanampy izy hamaly ny antso henony. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nitombo ho maherin'ny arivo sy iray hetsy ireo olona tra-boina, vokatry ny faharatsian'ny toetr'andro teto amintsika farany teo. Nijanona ho 39 kosa hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy, araka ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... ♦ Efa azon'ireo fiarabe mpitondra entana aleha ny lalam-pirenena faharoa alohan'ny hidirana an'i Moramanga nanomboka androany. Nijery ny fahavitan'ny asa tany an-toerana ny Filoham-pirenena...
♦ Tafakatra 39 ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny faharatsian'ny toetrandro, raha ny tarehimarika farany voaray omaly hariva... ♦ Afaka manome fanampiana ny tra-boina ary entanina hanao izany ireo mpitantana orinasa na indostria eto Madagasikara. Eny amin'ny MICC no handraisana izany.... ♦ Hizara pack, misy vatsy, eny amin'ireo faritra iva, ny fikambanana fitia, manomboka anio alarobia, ankoatra ny fizarana sakafo mafana andro aman'alina...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco