♦ Tafakatra 39 ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny faharatsian'ny toetrandro, raha ny tarehimarika farany voaray omaly hariva... ♦ Afaka manome fanampiana ny tra-boina ary entanina hanao izany ireo mpitantana orinasa na indostria eto Madagasikara. Eny amin'ny MICC no handraisana izany.... ♦ Hizara pack, misy vatsy, eny amin'ireo faritra iva, ny fikambanana fitia, manomboka anio alarobia, ankoatra ny fizarana sakafo mafana andro aman'alina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...