♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...
♦ Naneho hevitra momba ny zava-nitranga tamin'ny alahady teo, taorian'ny fivorian'ny OMC Reg ny Prefet an'i Toliara. Miantso ny vahoaka ao Toliara hanaja ny lalàna velona sy manan-kery izy. Miantso fifampiresahana sy firaisan-kina eo amin'ny samy vahoaka ny governoran'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Tetik'asa Tanamasoandro, tsy ampy ny tatitra ataon'ireo iraky ny fitondrana mamolavola ny tetik'asa hoy ny Ben'ny Tanàna ao Imerintsiatosika... ♦ Hiaro ny teny nataon'ny fitondràna momba ny fanjariantsakafo ny solontenan'i Madagasikara mandray anjara amin'ilay fihaonambe eran-tany momba ny fanjariantsakavo hatao any Paris...
27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.
27 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco