26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.
26 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
• Nahazo “Recteur Majeur” vaovao ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. I Mompera Fabio Attard no nanankinana izany andraikitra izany nandritra ny fifidianana natao tao anatin'ny “Chapitre Général faha-29”... • Terena hampiasa kaontera aloa mialoha ny Kaominina Imerintsiatosika. Nisy ny iraky ny JIRAMA tsy mitondra taratasy fampahafantarana mirakitra izany tonga teny an-toerana, hoy ny Ben'ny Tanana Parisoa Andriambololonarivo... • Nivory androany ny Fikambanan'ny Zanak'i Sakalava sy ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Tapaka nandritra izany fa halamina rahampitso ny toerana hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera...
I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco