I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.

Mitatitra ny zava-misy avy any Valdocco, Turin, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben’ny Fikambananana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

I Mompera Fabio Attard izany no, mandimby an’i Mompera Ángel Fernández Artime, hitantana ny fikambanana Salezianin’i Don Bosco maneran-tany, mandritra ny enina taona. Fikambanana salezianina izay mifototra amin’ny fanabeazana ny tanora, indrindra fa ireo mahantra sy marefo, amin’ny firenena miisa 136, manerana an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...